plt_tn/zec/14/09.md

968 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.

hisy Yaveh, ilay Andriamanitra tokana, ary ny anarany irery ihany

"hisy Andriamanitra tokana ihany, dia Yaveh, izay hotompoina."

Araba...Geba...Rimona

Ireo dia anaran-toerana.

Ho hasandatra hatrany i Jerosalema

Io dia manondro ny haavon'ny tanànan'i Jerosalema, eo amin'ny 760 metatra eo no ho eo raha ambonin'ny haavon'ny ranomasina.

Vavahadin'i Benjamina...vavahady voalohany...Vavahady an-jorony

Ireo dia anaram-bavahady isan-karazany ao amin'ny mandan'ny tanànan'i Jerosalema.

Tilikambon'i Hananela

Io dia manondro ny fefy matanjaka ao amin'ny fiarovan'ny tanàna amin'ny manda. Mety natsangan'ny lehilahy antsoina hoe Hananela izany.

ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka

Io dia mety manondro ny toerana izay nanaovana ny divay ho an'ny fianakavian'ny mpanjaka.