plt_tn/zec/10/11.md

791 B

Hamakivaky ny ranomasim-pahorian'izy ireo

Ny soratra masina matetika dia manondro ny ranomasina ho sarin'ny fahoriana sy zava-tsarotra.

ary hanamaina ny lalin'i Neily rehetra

DH: "Hataoko tsy misy intsony ny rano rehetra ao amin'ny Reniranon'i Neily"

Hahetry ny voninahitr'i Asyria

Eto ny hoe "voninahitr'i Asyria" dia mety manondro ny tafika Asyriana. DH: "Handrava ny tafika mpireharehan'i Asyria Aho."

ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana

DH: "ary ho tapitra ny fahefan'i Egypta mba hanapaka ireo firenena."

izany no fanambaran'i Yaveh

Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.