plt_tn/rut/02/10.md

1.3 KiB

Dia niankohoka teo anatrehan'i Boaza izy, nampikasika ny lohany tamin'ny tany

Ireo dia fanehoana fanajana ary fiarahabana. Izy dia nanome voninahitra an'i Boaza tamin'ny fankasitrahana izay rehetra nataony taminy. Izany ihany koa dia fanehoana fanetren-tena.

Nahoana no dia nahita fitia aho

Mametraka fanontaniana tena marina i Rota.

mpivahiny

Rota dia nampanantena manokana ny tsy fivadihany tamin'Andriamanitry ny Israely, kanefa izy dia fantatra ampahibemaso fa "Moabita."

Voatatitra taty amiko

DH: "Ny olona dia nanao tatitra tamiko" na "Nilaza tamiko ny olona"

handeha ho any amin'ny vahoaka

Boaza dia milaza amin'i Rota tonga niara-nipetraka tamin'i Naomy tao amin'ny tanàna sy vondron'olona iray, firenena, ary fivavahana izay tsy fantany.

hamaly fitia anao

"mamerina aminao" na "mandoa aminao"

nohon'ny asanao

Izany dia fanehoana finoana, misafidy ny hiara-hiaina amin'i Naomy ao Betlehema ary matoky an'Andriamanitr'i Naomy.

Enga anie ianao handray ny tambiny feno avy amin'i Yaveh

Izany dia fomba fiteny tena mitovy amin'ny fehezanteny teo aloha. DH: "Yaveh anie hamerina aminao mihoatra noho ny nomenao"

nahitanao fialofana tao ambany elany

Boaza dia nampiasa ny sarin'ny reny vorona izay manangona ny zanany ao ambany elany ho fiarovana azy, entina hanehoana ny fiarovan'Andriamanitra ireo izay mino Azy. DH: "izay nametrahana anao"