plt_tn/rev/03/14.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Laodikia.

tenin'ny Amena

Eto ny hoe: "Amena" dia anaran'i Jesosy Kristy. Manome antoka ireo fampanantenan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitenenana hoe amena amin'izy ireo Izy.

ilay mpanapaka ny zava-boaarin'Andriamanitra

Ireo mety ho dikany: 1) "ilay iray izay manapaka ny zavatra rehetra noarin'Andriamanitra" na 2) "ilay iray izay avy amin'ny alalany no hanorenan'Andriamanitra an'izao rehetra izao."

tsy mangatsiaka na mafana ianareo

Ny "Mangatsiaka" sy "mafana" dia maneho ny teboka roa amin'ny tombontsoa ara-panahy na ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny "mangatsiaka" dia manohitra tanteraka an'Andriamanitra, ary ny "mafana" dia manana zotom-po hanompo Azy. DH: "ianao dia tahaka ny rano izay sady tsy mangatsiaka no tsy mafana"

matimaty

"kely hafanana." Izany dia maneho olona iray tsy liana amin'ny tombontsoa ara-panahy na faharesen-dahatra.

dia efa haloan'ny vavako ianareo

Ny manary anareo dia resahina toy ny hoe mando azy ireo avy ao amin'ny vava. DH: "Hanary anareo Aho tahaka ny handrorako rano matimaty"