# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no fiatombohan'ny hafatry ny Zanak'Olona mankany amin'ny anjelin'ny fiangonana ao Laodikia. # tenin'ny Amena Eto ny hoe: "Amena" dia anaran'i Jesosy Kristy. Manome antoka ireo fampanantenan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitenenana hoe amena amin'izy ireo Izy. # ilay mpanapaka ny zava-boaarin'Andriamanitra Ireo mety ho dikany: 1) "ilay iray izay manapaka ny zavatra rehetra noarin'Andriamanitra" na 2) "ilay iray izay avy amin'ny alalany no hanorenan'Andriamanitra an'izao rehetra izao." # tsy mangatsiaka na mafana ianareo Ny "Mangatsiaka" sy "mafana" dia maneho ny teboka roa amin'ny tombontsoa ara-panahy na ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny "mangatsiaka" dia manohitra tanteraka an'Andriamanitra, ary ny "mafana" dia manana zotom-po hanompo Azy. DH: "ianao dia tahaka ny rano izay sady tsy mangatsiaka no tsy mafana" # matimaty "kely hafanana." Izany dia maneho olona iray tsy liana amin'ny tombontsoa ara-panahy na faharesen-dahatra. # dia efa haloan'ny vavako ianareo Ny manary anareo dia resahina toy ny hoe mando azy ireo avy ao amin'ny vava. DH: "Hanary anareo Aho tahaka ny handrorako rano matimaty"