plt_tn/rev/02/10.md

1.1 KiB

Ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo any amin'ny tranomaizina

"Ny devoly dia hahatonga ny hafa ho any an-tranomaizina tsy ho ela"

Matokia mandra-pafahaty

"Matokia Ahy na dia mamono anareo aza izy ireo." Ny fampiasana ny teny hoe: "mandra-" dia tsy midika akory hoe tsy matoky intsony ianareo rehefa maty.

ny satro-boninahitra

"ny satro-boninahitry ny mpandresy." Satro-boninahitra izay vita amin'ny rantsan'oliva na ravin-java-maniry, izay apetraka eo amin'ny lohan'ny atleta mpandresy.

ny satro-boninahitry ny fiainana

Ny mety ho dikany: 1) "satro-boninahitra izay mampiseho fa nanome ny fiainana mandrakizay anareo Aho" na 2) "ny tena fiainana toy ny loka tahaka ny satro-boninahitry ny mpandresy"

Izay manan-tsofina aoka izy hihaino

Ny fahafahana mihaino dia resahina toy ny hoe manan-tsofina. DH: "Raha manan-tsofina ianao, dia mihainoa"

Ilay iray izay maharesy

Izany dia maneho an'izay rehetra mandresy. DH: "izay rehetra mahatohitra ny ratsy" na "ireo izay tsy miray hevitra amin'ny ratsy"

tsy ho simban'ny fahafatesana faharoa

"tsy handalo amin'ny fahafatesana faharoa" na "tsy ho faty fanindroany"