plt_tn/psa/121/003.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Misy fifamadihana eto izay mety hidika 1) ny mpanoratra manomboka miteny amin'ny vahoakan'Israely na 2) ny mpanoratra milaza olon-kafa miresaka amin'ny mpanoratra.

ny tongotrao hibolisatra

Ny fibolisatry ny tongotra dia mifandraika amin'ny fianjerana. DH: "ahy hianjera"

Izy izay miaro ... ny mpiandry

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny anjaran'Andriamanitra amin'ny maha mpiaro.

Izy izay miaro anao dia tsy ho rendrehana

Eto ny "rendrehana" midika fa nitsahatra tamin'ny fiarovana Izy. DH: "Tsy ho resin-tory Andriamanitra ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "Hiaro anao lalandava Andriamanitra"

tsy ho rendrehana ... tsy mba rendrehana mihitsy na matory

Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny faharoa manamafy ny hevitry ny voalohany.

Indro

Ity teny ity dia mampiomana antsika mba hifantoka amin'ny andinindininy lehibe manaraka eo.

tsy mba rendrehana mihitsy na matory

Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Eto ny "rendrehana" midika hoe mitsahatra amin'ny fiarovana. DH: "tsy mba ho resin-tory ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "hiaro anao lalandava"