# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Misy fifamadihana eto izay mety hidika 1) ny mpanoratra manomboka miteny amin'ny vahoakan'Israely na 2) ny mpanoratra milaza olon-kafa miresaka amin'ny mpanoratra. # ny tongotrao hibolisatra Ny fibolisatry ny tongotra dia mifandraika amin'ny fianjerana. DH: "ahy hianjera" # Izy izay miaro ... ny mpiandry Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny anjaran'Andriamanitra amin'ny maha mpiaro. # Izy izay miaro anao dia tsy ho rendrehana Eto ny "rendrehana" midika fa nitsahatra tamin'ny fiarovana Izy. DH: "Tsy ho resin-tory Andriamanitra ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "Hiaro anao lalandava Andriamanitra" # tsy ho rendrehana ... tsy mba rendrehana mihitsy na matory Ireo andianteny roa ireo dia mitovy hevitra. Ny faharoa manamafy ny hevitry ny voalohany. # Indro Ity teny ity dia mampiomana antsika mba hifantoka amin'ny andinindininy lehibe manaraka eo. # tsy mba rendrehana mihitsy na matory Ireo teny roa ireo dia midika zavatra mitovy. Eto ny "rendrehana" midika hoe mitsahatra amin'ny fiarovana. DH: "tsy mba ho resin-tory ka hitsahatra amin'ny fiarovana anao" na "hiaro anao lalandava"