plt_tn/psa/107/001.md

28 lines
1013 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# mandrakizay ny famindram-pony
"tsy mety tapitra mihitsy ny fitiavany mahatoky"
# ireo navotan'i Yaveh
Ny "ireo navotana" dia manondro an'ireo vahoaka izay navotan'i Yaveh. DH: "ireo izay navotan'i Yaveh"
# hanambara
Izany dia midika hoe milaza amin'ny hafa momba ny zavatra iray. DH: "hilaza momba izay nataon'i Yaveh"
# teo an-tanan'ny fahavalo
Eto ny "tanana" dia manondro fahefana. DH: 'tamin'ny fahefan'ny fahavalo"
# avy any atsinanana ... sy avy any atsimo
Eto ireo vazan-tany efatra dia nomena mba hanamafisana fa manangona azy ireo Izy na aiza na aiza. DH: "avy amin'ny vazan-tany rehetra" na "avy amin'ny faritra rehetra amin'ny tany"
# avy any atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo
Izany dia mamaritra ireo toerana izay anangonan'i Yaveh ny olony. DH: "naangona azy ireo avy amin'ny atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo Izy"