plt_tn/psa/050/021.md

1.1 KiB

nihevitra mantsy ianao fa olona mitovy amin'ny tenanao ihany Aho

satria Andriamanitra nihazona fahanginana ary tsy mbola nibedy ireo olona ratsy fanahy tamin'ireo asany, dia noheverin'izy ireo fa neken'Andriamanitra izay nataony. DH: "mihevitra ianao fa olona manao fihetsika tahaka ny ataonao ihany Aho"

hananatra

"hibedy" na "hanasazy"

hampiakatra ...ny zava-drehetra vitanao

Andriamanitra miteny ny fitanisana ireo zava-dratsy rehetra izay nataon'izy ireo. DH: "hitanisa ... ireo zavatra rehetra izay nataonao"

ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao

Eto, ny maha "eo anoloan'ny masonao" midika fa izany dia eo amin'ny toerana izay ahafahan'izy ireo mahita. Izany midika fa izy ireo tsy ho afa-mandà ireo vesatra izay entin'Andriamanitra hanohitra azy ireo. DH: "eo amin'ny tandrifinao indrindra" na "mba tsy handavanao ireny"

ianao izay mpanadino an'Andriamanitra

Andriamanitra miteny ny ratsy fanahy mandà Azy toy ny hoe noadinoin'izy ireo Izy. DH: "ianao ilay nandà Ahy"

hopotipotehiko ianao

Andriamanitra miteny ny fandringanana ny ratsy fanahy toy ny hoe liona mihinana ny hazany. DH: "hamotika anao Aho"