plt_tn/psa/035/007.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Mametraka harato ho ahy tsy amin'ny antony izy ireo
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny harato toy ny biby madinika izy ireo"
# mihady lavaka ho an'ny aiko izy ireo
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe lavaka izay nohadian'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny lavaka toy ny misambotra biby vaventy izy ireo"
# ny aiko
Izany dia manondro ny mpanoratra. DH: "ahy"
# Aoka hamely tampoka azy ireo ny fandringanana
Ny fahapotehana dia lazaina toy ny hoe biby lozabe izay mety hamely tampoka azy ireo. DH: "Aoka izy ireo tsy hanampo satria noravana tampoka"
# ny harato izay napetrak'izy ireo
Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "ny harato izay napetrak'izy ireo mba hisamborana ahy toy ny biby ary hamelezana ahy"
# Aoka izy ireo ho lavo ao amin'izany
Ity dia sarinteny mitovy amin'ny ao amin'ny andininy faha 7. DH: "Aoka izy ireo ihany no ho lavo ao amin'ny lavaka izay nohadiany ho ahy"
# ho lavo ao amin'izany
Ireo mety ho heviny dia 1) lavo ao anatin'ny lavaka ao amin'ny andininy 7 na 2) lavo ao anaty fandringanana.
# ao amin'ny faharinganany
Ny anarana "fandringanana" dia azo atao amin'ny endrika hafda. DH: "mba ho voaringana izy ireo" na "izany no fomba tokony andringananao azy ireo"