plt_tn/psa/035/007.md

1.4 KiB

Mametraka harato ho ahy tsy amin'ny antony izy ireo

Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny harato toy ny biby madinika izy ireo"

mihady lavaka ho an'ny aiko izy ireo

Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe lavaka izay nohadian'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "Te hisambotra ahy ao amin'ny lavaka toy ny misambotra biby vaventy izy ireo"

ny aiko

Izany dia manondro ny mpanoratra. DH: "ahy"

Aoka hamely tampoka azy ireo ny fandringanana

Ny fahapotehana dia lazaina toy ny hoe biby lozabe izay mety hamely tampoka azy ireo. DH: "Aoka izy ireo tsy hanampo satria noravana tampoka"

ny harato izay napetrak'izy ireo

Ny teti-dratsin'ireo ratsy fanahy dia lazaina toy ny hoe harato izay napetrak'izy ireo hisamborana ny mpanoratra. DH: "ny harato izay napetrak'izy ireo mba hisamborana ahy toy ny biby ary hamelezana ahy"

Aoka izy ireo ho lavo ao amin'izany

Ity dia sarinteny mitovy amin'ny ao amin'ny andininy faha 7. DH: "Aoka izy ireo ihany no ho lavo ao amin'ny lavaka izay nohadiany ho ahy"

ho lavo ao amin'izany

Ireo mety ho heviny dia 1) lavo ao anatin'ny lavaka ao amin'ny andininy 7 na 2) lavo ao anaty fandringanana.

ao amin'ny faharinganany

Ny anarana "fandringanana" dia azo atao amin'ny endrika hafda. DH: "mba ho voaringana izy ireo" na "izany no fomba tokony andringananao azy ireo"