plt_tn/psa/029/006.md

1000 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ny mpanoratra manohy mamaritra ny herin'ny feon'i Yaveh.

Mampitsambikimbikina an'i Libanona tahaka ny zanak'omby Izy

Libanona dia lazaina toy ny hoe zanak'omby kely. Manamafy izany fa rehefa miteny Yaveh, dia mampihorohoro ny tany ny herin'ny feony. DH: "Mampihorohoro ny tanin'i Libanona tahaka ny zanak'omby mitsambikimbikina Izy"

Mampitsambikimbikina

Mivikina moramora mandroso mihemotra

Siriona toy ny vatotr'omby

Siriona dia lazaina toy ny hoe omby tanora. Manamafy izany fa rehefa miteny Yaveh, dia mampihorohoro ny tany ny feony. Mety hanampy ny manisy ny teny tsy ampy. DH: "ampitsambikimbikininy tahaka ny omby tanora i Siriona"

Siriona

Ity dia tendrombohitra any Libanona. Antsoina ihany koa hoe tendrombohitra Hermona.

Ny feon'i Yaveh mamoaka lelafo

Izay fisehoan'ny "feo" rehetra eto dia maneho an'i Yaveh miteny. DH: "Rehefa miteny Yaveh dia manao ny varatra hitselatra eny amin'ny habakabaka"

lelafo

Manondro tselatra izany.