plt_tn/psa/029/003.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny salamo dia mampiseho ny fahefana sy voninahitr'i Yaveh.

Ny feon'i Yaveh dia re ambonin'ny rano maro

Ny feon'Andriamanitra dia mafy kokoa ary mazava kokoa mihoatra ireo feo hafa rehetra. Afaka renesina mihoatra ny feo hafa izany toy ny feon'ny rano. Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "Rehefa miteny Yaveh dia mafy kokoa mihoatra ny feon-dranomasina ny feony" na "Yaveh mihiaka mafy mihoatra ny feon'ny rano"

ambonin'ny rano maro

Ity dia manondro ireo ranomasina na ranomasimbe. Ireo rano ireo dia manao feo tena mafy toy onja miainga ambony ary milatsaka.

Ny feon'i Yaveh

Izay fisehon'ny "feo" rehetra eto dia maneho ny fitenenan'i Yaveh. Ny mpanoratra manamafy fa rehefa miteny Yaveh, dia mafy dia mafy tokoa ny feo ka re ambony rano izany, ary mahery indrindra izany ka mahasimba hazo midadasika. DH: "Rehefa miteny Yaveh, ny feony"

ilay Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokotroka

Izany miresaka momba an'i Yaveh miteny toy ny hoe feon-kotroka. Toy ny feom-baratra, ny feon'i Yaveh dia afaka renesina amina alavirana lehibe. DH: "Ny feon'Andriamanitra be voninahitra dia mafy tahaka ny kotroka" na "Rehefa miteny ny Andriamanitra be voninahitra dia mikotroka tahaka ny varatra izany"