plt_tn/psa/029/003.md

20 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny salamo dia mampiseho ny fahefana sy voninahitr'i Yaveh.
# Ny feon'i Yaveh dia re ambonin'ny rano maro
Ny feon'Andriamanitra dia mafy kokoa ary mazava kokoa mihoatra ireo feo hafa rehetra. Afaka renesina mihoatra ny feo hafa izany toy ny feon'ny rano. Azo avadika ho tso-drafitra izany. DH: "Rehefa miteny Yaveh dia mafy kokoa mihoatra ny feon-dranomasina ny feony" na "Yaveh mihiaka mafy mihoatra ny feon'ny rano"
# ambonin'ny rano maro
Ity dia manondro ireo ranomasina na ranomasimbe. Ireo rano ireo dia manao feo tena mafy toy onja miainga ambony ary milatsaka.
# Ny feon'i Yaveh
Izay fisehon'ny "feo" rehetra eto dia maneho ny fitenenan'i Yaveh. Ny mpanoratra manamafy fa rehefa miteny Yaveh, dia mafy dia mafy tokoa ny feo ka re ambony rano izany, ary mahery indrindra izany ka mahasimba hazo midadasika. DH: "Rehefa miteny Yaveh, ny feony"
# ilay Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokotroka
Izany miresaka momba an'i Yaveh miteny toy ny hoe feon-kotroka. Toy ny feom-baratra, ny feon'i Yaveh dia afaka renesina amina alavirana lehibe. DH: "Ny feon'Andriamanitra be voninahitra dia mafy tahaka ny kotroka" na "Rehefa miteny ny Andriamanitra be voninahitra dia mikotroka tahaka ny varatra izany"