plt_tn/pro/15/19.md

784 B

Ny lalan'ny kamo ... ny lalan'ny mahitsy

Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona ny fiainan'ny olona iray. DH: "Ny fiainan'ny kamo ... ny fiainan'ny mahitsy"

Ny lalan'ny kamo dia tahaka ny toerana misy fefy tsilo

Ampitahain'ny mpanoratra amin'ny fiezahana handeha avy eo amin'ny fefy tsilo ny fomba fiainan'ny kamo. Samy mahatonga ilay olona hizaka fanaintainana ireo. DH: "Ny fiainan'ny kamo dia tahaka ny olona izay miezaka ny handeha avy eo amin'ny fefy tsilo"

ny lalan'ny mahitsy dia lalam-be voavoatra tsara

Ny fitahiana iainan'ny olona mahitsy eo amin'ny fiainana dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe mandeha amin'ny lalana malamatra izy ireo.

lalam-be voavoatra tsara

Lalana lehibe, mahitsy, ary tsy misy sakantsakana na kilavadavaka izany.