plt_tn/pro/13/11.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown

# Hihena ny harena
"Miha-manjavona ny harena"
# asan'ny tanany
Ny andian-teny hoe "asan'ny tanany" dia entina ilazana ny asa ara-batana fa tsy ara-tsaina na karazan'asa hafa. Maro ny olona tsy manome lanja ny asa ara-batana. DH: "miasa amin'ny hery ara-batana"
# hampitombo ny volany
Ampitahaina amin'ny hazo izay mitombo ny vola.
# Rehefa mihemotra ny fanantenana
Eto ny "fanantenana" dia maneho ny zavatra izay antenain'ny olona. Io dia azo atao hoe DH: "Rehefa manantena zavatra ny olona iray saingy tsy mandray izay mandritra ny fotoana ela dia ela"
# mandratra fo izany
Ny fandratrana fon'olona dia entina ilazana ny hoe mandifotra izany olona izany amin'ny alahelo. DH: "mahatonga alahelo mafy izany"
# ny faniriana tanteraka no hazon'aina.
Ny olona mandray izay nantenainy ka nanjary faly dia faly dia resahina toy ny hoe hazo izay manome aina ny fahatanterahan'ny fanantenany. DH: "ny faniriana tanteraka dia tahaka ny hazon'aina"
# hazon'aina
"hazo izay manome aina" na "hazo izay manohan'aina ny voany." Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io.