# Hihena ny harena "Miha-manjavona ny harena" # asan'ny tanany Ny andian-teny hoe "asan'ny tanany" dia entina ilazana ny asa ara-batana fa tsy ara-tsaina na karazan'asa hafa. Maro ny olona tsy manome lanja ny asa ara-batana. DH: "miasa amin'ny hery ara-batana" # hampitombo ny volany Ampitahaina amin'ny hazo izay mitombo ny vola. # Rehefa mihemotra ny fanantenana Eto ny "fanantenana" dia maneho ny zavatra izay antenain'ny olona. Io dia azo atao hoe DH: "Rehefa manantena zavatra ny olona iray saingy tsy mandray izay mandritra ny fotoana ela dia ela" # mandratra fo izany Ny fandratrana fon'olona dia entina ilazana ny hoe mandifotra izany olona izany amin'ny alahelo. DH: "mahatonga alahelo mafy izany" # ny faniriana tanteraka no hazon'aina. Ny olona mandray izay nantenainy ka nanjary faly dia faly dia resahina toy ny hoe hazo izay manome aina ny fahatanterahan'ny fanantenany. DH: "ny faniriana tanteraka dia tahaka ny hazon'aina" # hazon'aina "hazo izay manome aina" na "hazo izay manohan'aina ny voany." Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 3:17 io.