plt_tn/pro/01/07.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mampianatra ny zanany ny ray iray

Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana

Ny teny hoe "tahotra," "fiandohana," ary "fahalalana" dia azo ambara amin'ny endrika matoanteny. DH: "Aoka ianao hatahotra an'i Yaveh aloha mba hahafahanao manomboka mahalala izay hendry" na "Aoka ianao hanome voninahitra sy hanaja an'i Yaveh aloha mba hahafahanao mianatra izay hendry"

Yaveh

Izany no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ireo olona tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny Teny ao amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba fandikana izany.

ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana

"ireo izay tsy manome lanja izay hendry sy mety ahazoana fampianarana dia adala"

aza miala

Io dia fomba fiteny izay midika hoe "aza odiana fanina" na "aza mandà"

ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao

Ireo fitsipika sy fampianarana izay ampianarin'ny ray aman-dreny ny zanany dia tena sarobidy tokoa hany ka ambara toy ny hoe fehiloha na rado izay anaovan'ny olona iray izany. DH: "Hahatonga anao ho hendry ireo tahaka ny fehiloha eo an-dohanao na rado manodidina ny tendanao izay mahatonga anao ho tsara tarehy"

fehiloha

Boribory voatenona vita amin'ny ravin-kazo na voninkazo

rado

firavaka anaovana manodidina ny tenda