32 lines
1.3 KiB
Markdown
32 lines
1.3 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Mampianatra ny zanany ny ray iray
|
||
|
|
||
|
# Ny tahotra an'i Yaveh no fiandoham-pahalalana
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe "tahotra," "fiandohana," ary "fahalalana" dia azo ambara amin'ny endrika matoanteny. DH: "Aoka ianao hatahotra an'i Yaveh aloha mba hahafahanao manomboka mahalala izay hendry" na "Aoka ianao hanome voninahitra sy hanaja an'i Yaveh aloha mba hahafahanao mianatra izay hendry"
|
||
|
|
||
|
# Yaveh
|
||
|
|
||
|
Izany no anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ireo olona tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny Teny ao amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba fandikana izany.
|
||
|
|
||
|
# ny adala manamavo ny fahendrena sy ny fampianarana
|
||
|
|
||
|
"ireo izay tsy manome lanja izay hendry sy mety ahazoana fampianarana dia adala"
|
||
|
|
||
|
# aza miala
|
||
|
|
||
|
Io dia fomba fiteny izay midika hoe "aza odiana fanina" na "aza mandà"
|
||
|
|
||
|
# ho fehiloha tsara tarehy ho an'ny lohanao ireny ary rado mihantona eo amin'ny tendanao
|
||
|
|
||
|
Ireo fitsipika sy fampianarana izay ampianarin'ny ray aman-dreny ny zanany dia tena sarobidy tokoa hany ka ambara toy ny hoe fehiloha na rado izay anaovan'ny olona iray izany. DH: "Hahatonga anao ho hendry ireo tahaka ny fehiloha eo an-dohanao na rado manodidina ny tendanao izay mahatonga anao ho tsara tarehy"
|
||
|
|
||
|
# fehiloha
|
||
|
|
||
|
Boribory voatenona vita amin'ny ravin-kazo na voninkazo
|
||
|
|
||
|
# rado
|
||
|
|
||
|
firavaka anaovana manodidina ny tenda
|