plt_tn/php/02/25.md

838 B

Epafrodito

Izany dia anaran'ilay olona izay nalefan'ny fiangonana Filipiana hikarakara an'i Paoly tany am-ponja.

mpiara-miasa no mpira-miady

Eto Paoly dia miresaka an'i Epafrodito tahaka ny hoe miaramila izy. Ny tiany lazaina dia hoe Epafrodito dia efa nampiofanina sy nanokan-tena hanompo an'Andriamanitra, na toy inona hamafin'ny fijaliana izay ho zakainy. DH: "namana mpino izay miasa sy mitolona miaraka aminay"

mpitondra hafatrareo izy no mpanompo amin'izay ilaiko

"izay mitondra ny hafatrareo aty amiko ary manampy ahy rehefa ao anatin'ny tsy fahampiana"

tra-pahoriana mafy izy, ary manina ny hiaraka taminareo rehetra izy

"izy dia tena nanahy sy nitady ny mba hiaraka amintsika rehetra"

alahelo ambonin'ny alahelo

DH: "ny alahelo tamin'ny fisarahana taminy niampy ny alahelo izay azoko tamin'izaho tao am-ponja"