plt_tn/php/02/05.md

1.1 KiB

Mihevera tahaka ny fisainana izay tao amin'i Kristy Jesosy ihany koa

"Manana toe-tsaina mitovy amin'i Kristy Jesosy" na "eritrereto ireo zavatra toy ny nataon'i Jesosy"

fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy

Ny dikan-teny hafa dia milaza hoe: "nandritry ny fotoanan'i Kristy teto an-tany, dia tsy nitsahatra ny ho Andriamanitra Izy, fa kosa, najanony ny asa amin'ny maha Andriamanitra.

nofoanany ny tenany

Eto dia milaza izany fa Kristy dia tsy nety nampiseho ny maha Izy Azy tamin'ny tsy fanekeny ny anaovany asa amin'ny heriny avy any an-danitra nandritry ny fampianarany teto an-tany.

Ary hita nitovy tamin'olombelona Izy. Nanetry tena Izy

Ny teny hoe "Ary hita nitovy" dia fomba fiteny ny hoe "lasa ..." . DH: "Lasa olombelona, Izy dia nanetry tena"

tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana

Mety manondro toerana: "Kristy nandeha tamin'ny lalana rehetra ho any amin'ny fahafatesana" na manondro fotoana: "Kristy dia nankatoa na dia hatramin'ny fotoana nahafatesana aza"

dia ilay fahafatesan'ny hazo fijaliana

"dia ilay fahafatesana eo amin'ny hazofijaliana"