# Mihevera tahaka ny fisainana izay tao amin'i Kristy Jesosy ihany koa "Manana toe-tsaina mitovy amin'i Kristy Jesosy" na "eritrereto ireo zavatra toy ny nataon'i Jesosy" # fa tsy nihevitra izany fitoviany amin'Andriamanitra izany ho zavatra hifikirana Izy Ny dikan-teny hafa dia milaza hoe: "nandritry ny fotoanan'i Kristy teto an-tany, dia tsy nitsahatra ny ho Andriamanitra Izy, fa kosa, najanony ny asa amin'ny maha Andriamanitra. # nofoanany ny tenany Eto dia milaza izany fa Kristy dia tsy nety nampiseho ny maha Izy Azy tamin'ny tsy fanekeny ny anaovany asa amin'ny heriny avy any an-danitra nandritry ny fampianarany teto an-tany. # Ary hita nitovy tamin'olombelona Izy. Nanetry tena Izy Ny teny hoe "Ary hita nitovy" dia fomba fiteny ny hoe "lasa ..." . DH: "Lasa olombelona, Izy dia nanetry tena" # tonga mpankatoa hatramin'ny fahafatesana Mety manondro toerana: "Kristy nandeha tamin'ny lalana rehetra ho any amin'ny fahafatesana" na manondro fotoana: "Kristy dia nankatoa na dia hatramin'ny fotoana nahafatesana aza" # dia ilay fahafatesan'ny hazo fijaliana "dia ilay fahafatesana eo amin'ny hazofijaliana"