plt_tn/num/29/12.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miteny amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny vahoaka i Yaveh.

ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito

"ny andro faha-15n'ny volana faha-7." Ny teny hoe "volana" dia manondro ny volana ao amin'ny tetiandro Hebreo.

hisy fivoriana masina hankalazana an'i Yaveh

"miara-miangona mba hanompo sy hanome voninahitra an'i Yaveh." Ny andianteny hoe "fiangonana masina" dia midika hoe miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ny olona. Ny fanompoana an'i Yaveh dia tranga masina.

tsy maintsy mitandrina ny firavoravoana ho Azy

Io dia fomba fiteny. Eto ny teny hoe "mitandrina" dia midika hoe mihazona na mankalaza. Ny teny hoe "Azy" dia manondro an'i Yaveh. DH: "tsy maintsy mihazona ny firavoravoan'i Yaveh ianareo" na "tsy maintsy mankalaza ny firavoravoan'i Yaveh ianareo"

sorona natao tamin'ny afo

DH: "tsy maintsy mandoro izany eo amin'ny alitara ianareo"

vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ondrilahy roa, ary zanak'ondry lahy herintaona efatra ambin'ny folo

"vantotr'ombilahy 13, ondrilahy 2, ary zanak'ondry lahy herintaona 14"