plt_tn/num/09/01.md

1.5 KiB

tamin'ny volana voalohany

"tamin'ny volana faha-1." Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Io dia manamarika ny fotoana nitondran'Andriamanitra ny vahoakan'Israely hivoaka tao Egypta.

ny taona faharoa

"ny taona faha-2"

taorian'ny nivoahan'izy ireo ny tany Egypta

Eto ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny teny hoe "nivoaka" dia midika hoe niala. DH: "taorian'ny nialan'izy ireo ny tany Egypta"

Aoka ny vahoakan'ny...amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona

Ny teny hoe "raikitra" dia midika hoe "efa napetraka mialoha." Izany dia midika fa io no fotoana natokan'izy ireo ho an'izany isan-taona. DH: "Aoka ny vahoaka...amin'ny fotoana amin'ny taona iray efa natokan'izy ireo ho an'izany teo aloha"

ny andro fahefatra ambin'ny folo...amin'ny fotoana raikitra amin'ny taona

Io dia fotoana voatondro amin'ny taona iray izay hankalazan'izy ireo ny Paska. Ny hevitr'io fanambarana io feno dia afaka atao mazava. DH: "Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo...ary hitandrina izany, satria io no fotoana hankalazanareo izany isan-taona"

ny andro fahefatra ambin'ny folo

"ny andro faha-14''

araho ny didy amam-pitsipika rehetra, ary ankatoavy ny didy rehetra

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary nampiarahina mba hanindriana fa mila mankatoa ireo didy izy ireo.

Tandremonao izany

Eto ny andianteny hoe "tandremo izany" dia fomba fiteny izay midika hoe manaraka izany. DH: "Tsy maintsy manaraka izany ianao" na "Tsy maintsy mankalaza izany ianao"