plt_tn/mrk/09/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy miresaka amin'ny olona sy amin'ireo mpianany momba ny fanarahana Azy. Enina andro taty aoriana, Jesosy nandeha niaraka tamin'ny telo tamin'ireo mpianany nankany an-tendrombohitra izay niovany endrika, ka niendrika tahaka ny hoe Izy any amin'ny fanjakan'Andriamanitra indray andro any Izy.

Ary hoy Izy tamin'izy ireo

"Ary hoy Jesosy tamin'ireo mpianany"

ny fanjakan' Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery lehibe

Ny fanjakan'Andriamanitra ho avy dia misolo toerana ny fanehoan'Andriamanitra ny maha-mpanjaka Azy. DH: "Andriamanitra dia maneho ny tenany amin'ny hery lehibe tahaka ny mpanjaka"

ary izy ireo irery no tany

Ny mpanoratra dia mampiasa ny mpisolo tena "izy ireo" mba hanasongadinana fa irery izy ireo ary Jesosy, Petera, Jakoba, ary Jaona ihany no niakatra tany an-tendrombohitra.

niova tarehy Izy

DH: "hafa tanteraka ny endriny"

nanjelanjelatra no sady mazava

"manjelatra" na "mamiratra." Ny akanjon'i Jesosy dia tena fotsy ka nampita na namono ny hazavana.

fotsy mihoatra ny zavatra nampamotsiana indrindra teto ambonin'ny tany

Zavatra nampamotsiana dia mamaritra ny fomba famotsiana volon'ondry fotsy natoraly ho fotsy kokoa amin'ny alalan'ny fampiasana famotsiana simika. DH: "fotsy mihoatra noho ny fahafahan'ny olona iray mamotsy azy ireo eto ambonin'ny tany"