plt_tn/mic/06/03.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Io dia manohy ny fitorian'Andriamanitra manohitra ny vahoakan'Israely.

Ry oloko, inona no nataoko anao? Ahoana no nandrerahako anao? Mijoroa vavolombelona hanohitra Ahy!

Andriamanitra dia mampiasa io fanontaniana io mba hanamafisana fa Izy dia Andriamanitra tsara, ary tsy nanao zavatra nahatonga ny olona hitsahatra amin'ny fanompoana Azy Izy. DH: "Ry oloko, tsara teo aminareo Aho. Tsy nanao zavatra hankahalanareo Ahy Aho. Raha hoy ianareo hoe efa nanao izany Aho, dia mijoroa vavolombelona manohitra Ahy ankehitriny."

trano fanandevozana

DH: "Toerana izay naha-andevo anareo"

tsarovy

"tadidio"

Balaka mpanjakan'i Moaba, sy ny fomba namalian'i Balama zanak'i Beora azy

Io dia manondro ny fotoana efa lasa izay nanakaraman'i Balaka Mpanjaka an'i Balama mba hanozona ny vahoakan'Israely. Na izany aza, dia ny hitahy ireo vahoaka ihany no namelàn'Andriamanitra an'i Balama.

Beora

Io dia anaran'ny rain'i Balama.

Sitima

Io dia anaran-tanana iray any Moaba.

mba hahafahanao mahafantatra ny asa-marin'i Yaveh

"Mba hahatsiarovana hoe iza moa Aho, sy ny zavatra nataoko ho anao"