1.1 KiB
ny faharatsiana dia hitombo
Azo atao hoe DH: "hanota hatrany hatrany ny olona"
hihamangatsika ny fitiavan'ny maro
Ireo mety ho dikany dia 1) "maro ny olona tsy ho tia ny olona hafa intsony" na 2) "maro ny olona tsy hitia an'Andriamanitra intsony."
ilay iray izay miharitra
"na iza na iza no mijanona ho mahatoky"
hatramin'ny farany
Tsy mazava eto ny dikan'ny "farany" raha hoe rehefa maty ilay olona, na rehefa tapitra ny fanenjehana, na rehefa tonga ny fara-andro izay hisehoan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. Ny hevi-dehibe eto dia maharitra ela araka izay ilaina izy ireo
ho voavonjy
Azo atao hoe DH: "Hanafaka izany olona izany Andriamanitra"
Ity filazantsaran'ny fanjakana ity dia ho toriana
Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "Hilaza izany hafatra momba ny didin'Andriamanitra izany ny olona"
firenena rehetra
Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "ny olona rehetra avy any amin'ny toerana rehetra"
Avy eo dia ho tonga ny farany
"Fahataperan'izao tontolo izao" na "Fara-andro"