# ny faharatsiana dia hitombo Azo atao hoe DH: "hanota hatrany hatrany ny olona" # hihamangatsika ny fitiavan'ny maro Ireo mety ho dikany dia 1) "maro ny olona tsy ho tia ny olona hafa intsony" na 2) "maro ny olona tsy hitia an'Andriamanitra intsony." # ilay iray izay miharitra "na iza na iza no mijanona ho mahatoky" # hatramin'ny farany Tsy mazava eto ny dikan'ny "farany" raha hoe rehefa maty ilay olona, na rehefa tapitra ny fanenjehana, na rehefa tonga ny fara-andro izay hisehoan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. Ny hevi-dehibe eto dia maharitra ela araka izay ilaina izy ireo # ho voavonjy Azo atao hoe DH: "Hanafaka izany olona izany Andriamanitra" # Ity filazantsaran'ny fanjakana ity dia ho toriana Eto ny hoe ''fanjakan'ny lanitra'' dia ilazana ny fanapahan'Andriamanitra amin'ny maha-mpanjaka Azy. DH: "Hilaza izany hafatra momba ny didin'Andriamanitra izany ny olona" # firenena rehetra Eto ny "firenena" dia ilazana ny olona. DH: "ny olona rehetra avy any amin'ny toerana rehetra" # Avy eo dia ho tonga ny farany "Fahataperan'izao tontolo izao" na "Fara-andro"