plt_tn/mat/18/10.md

992 B

Tandremo tsy

"aoka mba tsy"

hanao tsinotsinona ireo ankizy madinika ireo ianareo

"hihevitra ireto zaza madinika ireto ho tsy misy lanjany." Azo atao hoe DH: "hanehoanareo fanajana amin'ireto zaza madinika ireto"

Fa milaza aminareo Aho

Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

fa any an-danitra ireo anjeliny dia mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra

Nampianarin'ireo mpampianatra Jiosy fa ny anjely lehibe indrindra ihany no afaka mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia hoe ny anjely lehibe indrindra aza miresaka amin'Andriamanitra momba ireo zaza madinika ireo.

mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra

Io dia fomba fiteny izay midika fa eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy ireo. DH: "dia akaikin'ny Raiko hatrany" na "dia eo amin'ny fanatrehan'ny Raiko hatrany"

Raiko

Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.