plt_tn/mat/18/10.md

24 lines
992 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Tandremo tsy
"aoka mba tsy"
# hanao tsinotsinona ireo ankizy madinika ireo ianareo
"hihevitra ireto zaza madinika ireto ho tsy misy lanjany." Azo atao hoe DH: "hanehoanareo fanajana amin'ireto zaza madinika ireto"
# Fa milaza aminareo Aho
Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# fa any an-danitra ireo anjeliny dia mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra
Nampianarin'ireo mpampianatra Jiosy fa ny anjely lehibe indrindra ihany no afaka mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Ny tian'i Jesosy ho lazaina dia hoe ny anjely lehibe indrindra aza miresaka amin'Andriamanitra momba ireo zaza madinika ireo.
# mijery foana ny endriky ny Raiko izay any an-danitra
Io dia fomba fiteny izay midika fa eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra izy ireo. DH: "dia akaikin'ny Raiko hatrany" na "dia eo amin'ny fanatrehan'ny Raiko hatrany"
# Raiko
Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy io.