plt_tn/mat/10/40.md

40 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpianany ny amin'ny antony tsy tokony hatahoran'izy ireo ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory i Jesosy.
# Izay
Ny teny hoe "izay" eto dia manondro ny olona amain'ny ankapobeny. DH: "Na iza na iza" na "izay rehetra" na "Ilay iray izay"
# mandray
Mampadroso olona toy ny vahiny no dikan'io.
# anareo
Manondro ireo apostoly roa ambin'ny folo izay iresahan'i Jesosy io.
# mandray Ahy
DH: "toy ny hoe mandray Ahy izy" na "toy ny hoe mandray Ahy izany"
# mandray ilay naniraka ahy
Ny dikan'izany dia hoe rehefa mandray an'i Jesosy ny olona iray dia toy ny mandray an'Andriamanitra. DH: "toy ny hoe mandray an'Andriamanitra Ray izay naniraka Ahy izy"
# satria mpaminany izy
Eto ny hoe "izy" dia tsy manondro ilay olona izay mandray. Manondro ilay olona raisina io.
# valisoan'ny mpaminany
Maneho ny valisoa omen'Andriamanitra ny mpaminany io, fa tsy valisoa izay omen'ny mpaminany ny olona hafa akory.
# olo-marina izy
Eto ny hoe "izy" dia tsy manondro ilay olona izay mandray. Manondro ilay olona raisina io.
# valisoan'ny olo-marina
Maneho ny valisoa omen'Andriamanitra ny olo-marina io, fa tsy valisoa izay omen'ny olo-marina ny olona hafa akory.