plt_tn/luk/21/10.md

24 lines
1021 B
Markdown

# Ary hoy Izy tamin'izy ireo
''Avy eo Jesosy niteny tamin'ireo mpianany.'' Satria ity dia tohin'ny resak'i Jesosy tao amin'ny andininy teo aloha, dia mety tsy te-hilaza hoe ''Ary hoy Izy tamin'izy ireo'' ny fiteny sasany.
# Ny firenena dia hitsangana hanohitra firenena
''Ny firenena iray dia hanafika firenena iray hfa.'' DH: ''Ireo firenena dia hanafika firenena hafa''
# firenena
Ity dia maneho ireo vondron'olona ara-poko.
# fanjakana hanohitra fanjakana
Tsy naverina ny teny sasany mba hanaovana ity ho fanambarana fohy. DH: ''ireo tafika avy amin'ny fanjakana iray dia hanafika ny tafika avy amin'ny fanjakana iray hafa''
# ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny toerana samihafa
Tsy naverina ny teny sasany mba hanaovana ity ho fanambarana fohy. DH: ''hisy mosary sy areti-mandringana any amin'ny toerana maro'' na '''fotoan'ny hanoanana sy aretina izay hamono olona maro amin'ny toerana samihafa''
# tranga mampatahotra
''tranga izay mampihorohoro olona'' na ''tranga izay hampatahotra ny olona''