plt_tn/luk/21/01.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity no hetsika manaraka ao amin'ny tantara. Fotoana mety nisehoany: 1) Mety niseho tamin'ny andro nametrahan'ireo Sadoseo fanontaniana an'i Jesosy ity (20:27) na 2) mety andro hafa ity. Jesosy manomboka mampianatra ireo mpianany.

fanatitra

''fanatitra vola''

fandatsahan-drakitra

''fanangonam-bola.'' Ity dia iray amin'ireo vata ao amin'ny kianjan'ny tempoly izay handrotsahan'ny olona vola toy ny fanatitra ho an'Andriamanitra.

mpitondra-tena mahantra iray

Ity dia fomba iray hampidirana mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.

Lazaiko marina aminareo

Ity dia midika fa izay ho lazain'i Jesosy dia tena zava-dehibe.

Lazaiko aminareo

Jesosy niresaka tamin'ireo mpianany.

Ity mpitondratena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra

Ity akory tsy midika hoe nandrotsaka vola be noho ireo lehilahy mpanan-karena izy. Fa kosa, midika izany fa Andriamanitra nandray ny fanatitrany ho manan-danja kokoa noho ny vola be nomen'ireo lehilahy. DH: ''ny fanatitra kelin'ilay mpitondra-tena dia sarobidy kokoa noho ny fanatitra ben'ireo lehilahy mpanan-karena''

nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny

''manam-bola be fa nanome anjara kely tamin'izany fotsiny''

tamin'ny fahantrany

''izay nanana vola tena kely''