# Fampifandraisana ny foto-kevitra Ity no hetsika manaraka ao amin'ny tantara. Fotoana mety nisehoany: 1) Mety niseho tamin'ny andro nametrahan'ireo Sadoseo fanontaniana an'i Jesosy ity (20:27) na 2) mety andro hafa ity. Jesosy manomboka mampianatra ireo mpianany. # fanatitra ''fanatitra vola'' # fandatsahan-drakitra ''fanangonam-bola.'' Ity dia iray amin'ireo vata ao amin'ny kianjan'ny tempoly izay handrotsahan'ny olona vola toy ny fanatitra ho an'Andriamanitra. # mpitondra-tena mahantra iray Ity dia fomba iray hampidirana mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara. # Lazaiko marina aminareo Ity dia midika fa izay ho lazain'i Jesosy dia tena zava-dehibe. # Lazaiko aminareo Jesosy niresaka tamin'ireo mpianany. # Ity mpitondratena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra Ity akory tsy midika hoe nandrotsaka vola be noho ireo lehilahy mpanan-karena izy. Fa kosa, midika izany fa Andriamanitra nandray ny fanatitrany ho manan-danja kokoa noho ny vola be nomen'ireo lehilahy. DH: ''ny fanatitra kelin'ilay mpitondra-tena dia sarobidy kokoa noho ny fanatitra ben'ireo lehilahy mpanan-karena'' # nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny ''manam-bola be fa nanome anjara kely tamin'izany fotsiny'' # tamin'ny fahantrany ''izay nanana vola tena kely''