plt_tn/luk/19/43.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manohy miresaka.

Fa

Izay manaraka eo no anton'ny alahelon'i Jesosy.

ho avy aminao ireo andro

Ity dia manondro fa hiaina fotoan-tsarotra izy ireo. DH: ''amin'ny ho avy dia hitranga aminao ireo zavatra ireo'' na ''tsy ho ela dia hiaritra fotoana manahirana ianao''

aminao

Ny teny hoe ''aminao'' dia maneho ilay tanàna. Fa raha hafahafa amin'ny fiteninao dia afaka ataonao hoe ''aminareo'' mba hanehoana ireo olona ao amin'ilay tanàna.

manda

Ity dia maneho ny rindrina mba hitazomana ny olona tsy hivoaka ny tanàna.

Izy ireo dia hampianjera anao amin'ny tany

Satria Jesosy niresaka an'ilay tanàna, dia maneho ireo rindrina sy trano ben'ny tanàna ity. DH: ''Hamotika ny rindrintsika izy ireo'' na '''hamotika ny tanànantsika izy ireo''

miaraka amin'ny zanakao

Ity dia maneho ny olona izay niaina tao amin'ilay tanàna. DH: ''hamono anareo olona ao amin'ny tanàna izy''

Tsy hamela na dia vato iray mifanaingina aza izy ireo

''Ity dia fanoharana mba hilazana ny hamotehan'ireo fahavalo tanteraka ny tanàna izay voaorina tamin'ny vato.