plt_tn/luk/18/15.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity no hetsika manaraka ao amin'ny fizaran'ny tantara izay nanomboka tao amin'ny 17:20. Jesosy mandray ireo ankizy ary miresaka nyb momban'izy ireo.

hikasihany azy ireo, fa

Afaka atao fehezanteny roa samihafa koa ity: ''hikasihany azy ireo. Fa''

niteny mafy azy ireo

''niezaka hanakana ireo ray aman-dreny tamin'ny fitondrana ny zanak'izy ireo ho eny amin'i Jesosy ireo mpianatra''

Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy

'''Jesosy niteny ny olona mba hitondra ny zanak'izy ireo hankeny Aminy''

Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo

Ireo fehezanteny roa ireo dia manana dika mitovitovy ary natambatra mba hanamafisana. Ny fiteny sasany dia manamafy amin'ny fomba hafa. DH: ''ianareo dia tokony hamela ny zaza hanatona Ahy''

an'ny toa azy ireo

DH: ''an'ny olona izay tahaka ireo zaza ireo''

Lazaiko marina aminareo

''Tena lazaiko aminareo.'' Jesosy nampiasa ity fomba fiteny ity mba hanamafisana ny maha-zava-dehibe izay lazainy manaraka eo.

na iza na iza tsy handray ny fanjakan' Andriamanitra toy ny zaza dia tsy hiditra ao amin'izany mihintsy

Andriamanitra dia mitaky ny olona hanaiky ny fitsipiny amin'izy ireo am-pahatokiana sy am-panetre-tena. DH: ''na iza na iza te-hiditra ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy maintsy mandray izany am-pahatokiana sy fanetre-tena tahaka ny zaza''