plt_tn/luk/18/13.md

40 lines
1.4 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Tapitra ny filazan'i Jesosy ny fanoharany.Ao amin'ny andininy faha14, dia maneho hevitra momban'izay ampianarin'ilay fanoharana Izy.
# nijoro teny alavitra
''nitsanga lavitr'ilay Fariseo.'' Ity dia famantarana ny fanetre-tena. Tsy nahatsapa mendrika ho eo akaikin'ilay Fariseo Izy.
# nanandratra ny masony teny amin'ny lanitra
Ny ''manandratra ny maso'' dia midika hoe mijery zavatra. DH: ''nijery nankany amin'ny lanitra'' na '''nijery ambony''
# niteha-tratra
Ity dia fanehoana ara-batana ny alahelo lehibe, ary mampiseho ny fibebahana sy fanetre-ten'ity lehilahy ity. DH: ''niteha-tratra mba hampisehoana ny alahelony''
# Andriamanitra o! mamindrà fo amiko, mpanota
''Andriamanitra o, mba mamindrà fo amiko, na dia mpanota be aza aho'' na ''Andriamanitra o, mamindrà fo amiko. Mpanota be aho''
# io lehilahy io dia niverina nidina tany an-tranony voamarina
Voamarina izy satria navelan'Andriamanitra ny fahotany. DH: ''Navelan'Andriamanitra ilay mpamory hetra''
# noho ilay iray
''noho ilay lehilahy iray hafa'' na ''fa tsy ilay lehilahy hafa.'' DH: ''fa Andriamanitra tsy namela ilay Fariseo''
# satria izay rehetra manandra-tena dia hahetry
Amin'ity fehezanteny ity, dia miala amin'ilay tantara Jesosy mba hamaritana ny fitsipika ankapobeny izay asehon'ilay tantara.
# dia hahetry
DH: ''hahetrin'Andriamanitra''
# hasandratra
DH: ''homen'Andriamanitra voninahitra be''