plt_tn/luk/18/13.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny filazan'i Jesosy ny fanoharany.Ao amin'ny andininy faha14, dia maneho hevitra momban'izay ampianarin'ilay fanoharana Izy.

nijoro teny alavitra

''nitsanga lavitr'ilay Fariseo.'' Ity dia famantarana ny fanetre-tena. Tsy nahatsapa mendrika ho eo akaikin'ilay Fariseo Izy.

nanandratra ny masony teny amin'ny lanitra

Ny ''manandratra ny maso'' dia midika hoe mijery zavatra. DH: ''nijery nankany amin'ny lanitra'' na '''nijery ambony''

niteha-tratra

Ity dia fanehoana ara-batana ny alahelo lehibe, ary mampiseho ny fibebahana sy fanetre-ten'ity lehilahy ity. DH: ''niteha-tratra mba hampisehoana ny alahelony''

Andriamanitra o! mamindrà fo amiko, mpanota

''Andriamanitra o, mba mamindrà fo amiko, na dia mpanota be aza aho'' na ''Andriamanitra o, mamindrà fo amiko. Mpanota be aho''

io lehilahy io dia niverina nidina tany an-tranony voamarina

Voamarina izy satria navelan'Andriamanitra ny fahotany. DH: ''Navelan'Andriamanitra ilay mpamory hetra''

noho ilay iray

''noho ilay lehilahy iray hafa'' na ''fa tsy ilay lehilahy hafa.'' DH: ''fa Andriamanitra tsy namela ilay Fariseo''

satria izay rehetra manandra-tena dia hahetry

Amin'ity fehezanteny ity, dia miala amin'ilay tantara Jesosy mba hamaritana ny fitsipika ankapobeny izay asehon'ilay tantara.

dia hahetry

DH: ''hahetrin'Andriamanitra''

hasandratra

DH: ''homen'Andriamanitra voninahitra be''