plt_tn/luk/17/11.md

969 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity no fizarana manaraky ny tantara. Jesosy manasitrana lehilahy 10 amin'ny habokana. Ireo andininy faha 11 sy 12 dia manome fampahafantarana fototra sy ny fizotry ny tantara.

Ary

Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana ny fiantombohan'ny fizarana vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba fanaovana izany ny fiteninao, dia ampiasao eto izany.

raha nandeha ho any Jerosalema Izy

''raha nandeha ho any Jerosalema Jesosy sy ireo mpianatra''

nisy boka folo lahy nifanena taminy tao

DH: ''nisy lehilahy folo voan'ny habokana nifanena taminy''

Nitsangana lavitra Azy izy ireo

Ity dia fihetsika feno fanajana, satria ny boka dia tsy nahazo alalana hanatona olona hafa.

nanandratra avo ny feon'izy ireo

Ity dia midika hoe miteny mafy. DH: ''niantso tamin'ny feo avo''

mamindrà fo aminay

Nangataka ho sitranina manokana izy ireo. DH: ''miangavy mba hampisehoy famindram-po izahay amin'ny fanasitranana anay''