plt_tn/luk/16/19.md

1.8 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Raha nanohy nampianatra ny olona Jesosy dia manomboka milaza tantara. Izany dia momban'ny lehilahy manan-karena iray sy Lazarosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireto andininy ireto dia manome fampahafantarana fototra momban'ny tantara izay manomboka lazain'i jesosy momban'ny lehilahy mpanan-karena iray sy Lazarosy.

Ary

Ity dia manamarika fiovana ao amin'ny fanambaran'i Jesosy raha manomboka mitantara ny tantara izay hanampy ny olona hahazo izay hampianariny azy ireo Izy.

nisy mpanan-karena iray

Ity fehezanteny ity dia mampiditra olona iray ao amin'ny tantaran'i Jesosy. Tsy mazava tsara raha tena olona ity, na tantara tantarain'i Jesosy fotsiny mba hazoana ny hevitra.

izay niankanjo volomparasy sy rongony manify

"nanao akanjo lafo vidy."

nankamamy isan'andro ny harem-beny

"nankamamy isan'andro ny sakafo lafo vidy" na "nandany vola be sy nividy izay rehetra niriany"

Nisy mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy nipetraka teo amin'ny vavahadiny

DH: "nisy olona nametraka mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy teo amin'ny vavahadiny"

mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy

Ity fehezanteny ity mampiditra olona hafa ao amin'ny tantaran'i Jesosy.

teo amin'ny vavahadiny

"teo amin'ny vavahadin'ny tranon'ilay lehilahy manan-karena" na "'teo amin'ny fiidirana mankao amin'ny fananan'ilay lehilahy manan-karena."

rakotra fery

"rakotra fery ny vatany iray manontolo"

Fa na ny alika aza tonga

Ny teny hoe "aza" eto dia mampiseho fa izay manaraka eo dia mbola ratsy kokoa noho izay efa voalaza teo aoha momban'i Lazarosy. DH: "ankoatra izay" na "mbola ratsy kokoa aza, tonga ny alika"

alika

Ireo Jiosy dia nandray ny alika ho biby maloto. Tena narary sy nalemy loatra Lazarosy ka tsy afaka nanajanona ilay alika tamin'ny filelahana ireo feriny.