# Fampifandraisana ny foto-kevitra Raha nanohy nampianatra ny olona Jesosy dia manomboka milaza tantara. Izany dia momban'ny lehilahy manan-karena iray sy Lazarosy. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ireto andininy ireto dia manome fampahafantarana fototra momban'ny tantara izay manomboka lazain'i jesosy momban'ny lehilahy mpanan-karena iray sy Lazarosy. # Ary Ity dia manamarika fiovana ao amin'ny fanambaran'i Jesosy raha manomboka mitantara ny tantara izay hanampy ny olona hahazo izay hampianariny azy ireo Izy. # nisy mpanan-karena iray Ity fehezanteny ity dia mampiditra olona iray ao amin'ny tantaran'i Jesosy. Tsy mazava tsara raha tena olona ity, na tantara tantarain'i Jesosy fotsiny mba hazoana ny hevitra. # izay niankanjo volomparasy sy rongony manify "nanao akanjo lafo vidy." # nankamamy isan'andro ny harem-beny "nankamamy isan'andro ny sakafo lafo vidy" na "nandany vola be sy nividy izay rehetra niriany" # Nisy mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy nipetraka teo amin'ny vavahadiny DH: "nisy olona nametraka mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy teo amin'ny vavahadiny" # mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy Ity fehezanteny ity mampiditra olona hafa ao amin'ny tantaran'i Jesosy. # teo amin'ny vavahadiny "teo amin'ny vavahadin'ny tranon'ilay lehilahy manan-karena" na "'teo amin'ny fiidirana mankao amin'ny fananan'ilay lehilahy manan-karena." # rakotra fery "rakotra fery ny vatany iray manontolo" # Fa na ny alika aza tonga Ny teny hoe "aza" eto dia mampiseho fa izay manaraka eo dia mbola ratsy kokoa noho izay efa voalaza teo aoha momban'i Lazarosy. DH: "ankoatra izay" na "mbola ratsy kokoa aza, tonga ny alika" # alika Ireo Jiosy dia nandray ny alika ho biby maloto. Tena narary sy nalemy loatra Lazarosy ka tsy afaka nanajanona ilay alika tamin'ny filelahana ireo feriny.