plt_tn/luk/14/31.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy manohy manazava amin'ny vahoaka fa zava-dehibe ny mikajy ny vidin'ny maha-mpianatra.

Na

Jesosy nampiasa ity teny ity mba hampidirana zava-misy hafa izay hikajian'ny olona ny vidiny mialohan'ny handraisana fanapahan-kevitra.

Na koa mpanjaka inona ... no tsy hipetraka aloha ary maka hevitra ... amin'ny lehilahy roa alina

Jesosy mampiasa fanontaniana hafa hampianarana ny vahoaka momban'ny fikajiana ny vidiny. DH: "fantatrareo fa ny mpanjaka ... dia hipetraka aloha ary haka hevitra ... lehilahy roa alina"

haka hevitra

Ireo dika azo atao: 1) "hieritreritra tsara momban'ny" na 2) "hihaino ireo mpanolo-tsainy"

iray alina ... roa alina

"10.000 .... 20.000"

Raha tsy izany

Mety hanampy ny filazana fanazavana be be kokoa. DH: "Ary raha mahatsapa izy fa tsy afaka handresy ilay mpanjaka hafa"

fepetra ho amin'ny fihavanana

"teny mba hampitsaharana ny ady" na "izay tian'ilay mpanjaka hafa ho ataony mba hamaranana ny ady"

na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra hananany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy

DH: "izay manome izay rehetra hananany aminareo ihany no afaka ny ho mpianatro"

mahafoy izay rehetra hananany

"mamela izay rehetra hananany"