plt_tn/luk/11/39.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy manomboka miresaka amin'ilay Fariseo amin'ny fampiasana fanoharana. Izy dia mampitaha ny fomba fanadiovan'izy ireo kaopy sy lovia amin'ny fomba fanadiovan'izy ireo ny tenan'izy ireo.

ny ivelan'ny kaopy sy ny lovia

Ny fanasana ny ivelan'ny fitoeran-javatra dia isan'ny fomba fanaon'ireo Fariseo.

nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana

Ity sariteny ity dia mampifanohitra ny fomba fanasan'izy ireo tsara ny ivelan'ny lovia amin'ny fomba tsy firarahiny ny ao anatin'izy ireo manokana.

Ianareo ry kely saina

Ity fomba fiteny ity dia afaka maneho na ny lehilahy na vehivavy, na dia lehilahy avokoa aza ireo noresahan'i Jesosy teto.

Tsy nanao izay ao anatiny ihany koa ve izay nanao ny ivelany?

Jesosy mampiasa fanontaniana mba hitenenana mafy ireo Fariseo nohon'ny tsy fahazoana fa izay ao am-pon'izy ireo no jeren'Andriamanitra. DH: "Izay nanao ny ivelany no manao ny ao anatiny koa!"

Omeo ny mahantra izay ao anatiny

Ity dia maneho izay tokony ho ataon'izy ireo amin'ny kaopy sy lovian'izy ireo. DH: "Omeo ny mahantra izay ao anatin'ny kaopy sy lovianareo" na "malalà-tanana amin'ny mahantra"

ho madio ho anareo avokoa ny zavatra rehetra

"hadio tanteraka ianareo" na "samy hadio na ny ao anaty na ny ivelanareo"