plt_tn/luk/11/18.md

1.4 KiB

Raha miady an-trano Satana

Ny "Satana" eto dia maneho ireo demonia izay manaraka an'i Satana sy Satana mihinsy. DH: "Raha miady an-trano Satana sy ireo mpikambana ao amin'ny fanjakany"

Koa raha miady an-trano Satana, ahoana no hampaharitra ny fanjakany?

Jesosy mampiasa fanontaniana mba hampianarana ny olona. Afaka atao toy ny fanambarana izany. DH: "Raha miady an-trano Satana dia tsy haharitra ny fanjakany"

Fa hoy ianareo hoe mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Aho

"Fa hoy ianareo hoe amin'ny alalan'ny herin'i Belzeboba no hamoahako demonia hiala amin'ny olona."

Fa raha ... amin'ny alalan'iza kosa no androahan'ny mpanara-dia anareo azy?

Fa raha ... dia amin'ny alalan'ny herin'iza no hamoahan'ny mpanara-dia anareo demonia hiala amin'ny olona?" Jesosy mampiasa fanontaniana mba hampianarana ny olona. Afaka hazavaina ny tian'i Jesosy hambara amin'ny fanontaniany. DH: "Fa raha ... dia tsy maintsy manaiky isika fa ireo mpanara-dia anareo koa dia mamoaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba. Fa tsy mino ianareo hoe marina izany."

izy ireo no hitsara anareo

"ireo mpanara-dia anareo izay mandroaka demonia amin'ny herin'Andriamanitra no hitsara anareo amin'ny filazana fa ny herin'i Belzeboba no handroahako demonia"

amin'ny alalan'ny ratsan-tanan'Andriamanitra

Ny "ratsan-tanan'Andriamanitra" dia maneho ny herin'Andriamanitra.

dia tonga aminareo ny fanjakan'Andriamanitra

"Ity dia mampiseho fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tonga aminareo"