plt_tn/luk/05/12.md

916 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy nanasitrana boka tany amin'ny tanàna samihafa izay tsy notononina.

Dia nitranga izao

Ity fehezanteny ity dia manamarika tranga vaovao ao amin'ny tantara.

lehilahy feno habokana

"lehilahy iray izay rakotry ny habokana." Ity dia mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.

niankohoka

"nandoalika ary nikasika ny tany tamin'ny tavany" na "niankohoka tamin'ny tany izy"

dia afaka manadio ahy

Fantatra fa nangataka tamin'i Jesosy izy mba hanasitrana azy. DH: "miangavy mba diovy aho, satria afaka manao izay Ianao"

afaka manadio ahy ... mahadiova

Ity dia maneho ny fanadiovana (fanamasinana), fa fantatra fa izy dia maloto nohon'ny habokana. Izy dia tena nangataka tamin'i Jesosy mba hanasitrana azy amin'ny aretiny. DH: "diovy amin'ny habokana aho ka mba ho madio indray ... Sitràna"

afaka taminy ny habokana

"tsy nisy habokana intsony izy"