plt_tn/luk/02/41.md

1.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tamin'ny Jesosy 12 taona, dia nankany Jerosalema niaraka tamin'ny fianakaviany Izy. Rehefa tany Izy, dia nametraka sy namaly fanontaniana an'ireo mpampianatra tao an-tempoly.

Ny ray aman-dreniny

"ray aman-drenin'i Jesosy"

dia nankany indray izy ireo

Jerosalema dia avo nohon'ny ankamaroan'ny toerana hafa any Israely, ka dia ara-dalàna tamin'ireo Israelita ny niteny fa andeha hiakatra an'i Jerosalema.

araka ny fomba fanao

"toy ny fanaon'izy ireo isan-taona"

rehefa avy nitoetra tany nandritry ny andron'ny fety manontolo izy ireo

"rehefa tapitra ny fotoana fankalazana ny fety" na hoe "rehefa avy mankalaza ny fety mandritry ny andro takiana"

fety

Ity dia anarana hafa ho an'ny Fankalazana ny Paska, hatramin'ny nanaovana sakafon-danonana ho amin'izany.

nataon'izy ireo

"noheverin'izy ireo"

nandeha nandritry ny andro iray manontolo izy irieo

"nandeha nandritry ny iray andro izy ireo" na hoe "nandeha lavitra araka izay ataon'ny olona ao anatin'ny andro iray izy ireo"