plt_tn/luk/02/01.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity dia mampiseho hoe nahoana Maria sy Josefa no nila nifindra ho an'ny fahaterahan'i Jesosy.

Ary

Ity teny ity dia maneho ny fiantombohan'ny fizarana vaovao amin'ny tantara.

Aogosto Kaisara

"Aogosto mpanjaka" na "Amperora Aogosto." Aogosto no amperora voalohany tamin'ny fanjakana Romana.

nandefa didy mibaiko

Ity baiko ity dia mety nentin'ireo mpitondra hafatra nanerana ny fanjakana. DH: "naniraka mpitondra hafatra niaraka tamin'ny didy mibaiko"

ny hanisana ny olona rehetra izay miaina eto amin'izao tontolo izao

DH: "ny handraisan'izy ireo ny anaran'ny olona rehetra mipetraka eto amin'izao tontolo izao" na "ny hanisan'izy ireo ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao ary hanoratra ny anaran'izy ireo"

izao tontolo izao

"ny ampahan-tany izay anjakan'ny fanjakana Romana" na "ireo tanàna izay entin'ny amperora Romana"

Kyrenio

Kyrenio dia voatendry ho governoran'i Siria.

ny olon-drehetra dia nankany

"ny olona rehetra dia nanomboka"

tanàna niaviany

Ity dia maneho ireo tanàna izay niainan'ireo razamben'ny olona. Mety niaina tamin'ny tanàna samihafa ireo olona. DH: ''ny tanàna izay niainan'ireo razambeny"

hisoratra anarana amin'ny fanisam-bahoaka

"mba ho voasoratra ao amin'ny fandraisana anarana ny anaran'izy ireo"