40 lines
1.7 KiB
Markdown
40 lines
1.7 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
|
|
|
|
Amin'ity andininy rehetra ity ny teny hoe "isika" dia mampiditra ny olona rehetra.
|
|
|
|
# nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanintsika
|
|
|
|
Mety hanampy ny fametrahana fa manampy ny olona ny famindram-pon'Andriamanitra. DH: "satria Andriamanitra dia mangoraka sy mamindra fo amintsika"
|
|
|
|
# hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo ... mba hanazava
|
|
|
|
ny hazavana matetika dia sariteny ho an'ny marina. Eto, ny fahamarinana ara-panahy izay homen'ny Mpamonjy dia aseho toy ny hoe fiposahan'ny masoandro izay manazava ny tany.
|
|
|
|
# manazava
|
|
|
|
"manome fahalalana ho an'ny" na "manome fahazavana ara-panahy ho an'ny"
|
|
|
|
# ireo izay mipetraka ao anatin'ny haizina
|
|
|
|
Ny haizina eto dia sariteny ho an'ny tsy fisian'ny fahamarinana ara-panahy. Eto, ny olona izay tsy manana fahamarinana ara-panahy dia aseho toy ny hoe mipetraka ao anatin'ny haizina izy ireo. DH: "olona izay tsy mahalala ny marina"
|
|
|
|
# haizina ... aloky ny fahafatesana
|
|
|
|
Ireo teny roa ireo dia miara-miasa mba hanamafisana ny halalin'ny fahamaizinana ara-panahin'ny olona mialohan'ny hampisehoan' Andriamanitra famindram-po amin'izy ireo.
|
|
|
|
# ao anatin'ny aloky ny fahafatesana
|
|
|
|
Ny aloka matetika dia maneho zavatra izay vao hitranga. Eto, maneho fahafatesana efa manakaiky izany. DH: "izay efa ho faty"
|
|
|
|
# hitarihana ny tongontsika
|
|
|
|
ny mitarika tongotr'olona dia mitovy amin'ny mitarika olona ihany. DH: ''mitarika antsika" na "mampianatra antsika"
|
|
|
|
# ny tongontsika
|
|
|
|
ny "tongotra" dia ampiasaina hanehoana ny olona iray manontolo. DH: ''antsika"
|
|
|
|
# amin'ny lalam-piadanana
|
|
|
|
"ny lalam-piadanana" dia sariteny ho an'ny lalan'ny fiainana izay mahatonga olona iray hanana fiadanana amin'Andriamanitra. DH: "miaina fiainam-piadanana" na "mandeha amin'ny lalana izay mitarika any amin'ny fiadanana"
|