# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Amin'ity andininy rehetra ity ny teny hoe "isika" dia mampiditra ny olona rehetra. # nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanintsika Mety hanampy ny fametrahana fa manampy ny olona ny famindram-pon'Andriamanitra. DH: "satria Andriamanitra dia mangoraka sy mamindra fo amintsika" # hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo ... mba hanazava ny hazavana matetika dia sariteny ho an'ny marina. Eto, ny fahamarinana ara-panahy izay homen'ny Mpamonjy dia aseho toy ny hoe fiposahan'ny masoandro izay manazava ny tany. # manazava "manome fahalalana ho an'ny" na "manome fahazavana ara-panahy ho an'ny" # ireo izay mipetraka ao anatin'ny haizina Ny haizina eto dia sariteny ho an'ny tsy fisian'ny fahamarinana ara-panahy. Eto, ny olona izay tsy manana fahamarinana ara-panahy dia aseho toy ny hoe mipetraka ao anatin'ny haizina izy ireo. DH: "olona izay tsy mahalala ny marina" # haizina ... aloky ny fahafatesana Ireo teny roa ireo dia miara-miasa mba hanamafisana ny halalin'ny fahamaizinana ara-panahin'ny olona mialohan'ny hampisehoan' Andriamanitra famindram-po amin'izy ireo. # ao anatin'ny aloky ny fahafatesana Ny aloka matetika dia maneho zavatra izay vao hitranga. Eto, maneho fahafatesana efa manakaiky izany. DH: "izay efa ho faty" # hitarihana ny tongontsika ny mitarika tongotr'olona dia mitovy amin'ny mitarika olona ihany. DH: ''mitarika antsika" na "mampianatra antsika" # ny tongontsika ny "tongotra" dia ampiasaina hanehoana ny olona iray manontolo. DH: ''antsika" # amin'ny lalam-piadanana "ny lalam-piadanana" dia sariteny ho an'ny lalan'ny fiainana izay mahatonga olona iray hanana fiadanana amin'Andriamanitra. DH: "miaina fiainam-piadanana" na "mandeha amin'ny lalana izay mitarika any amin'ny fiadanana"